Asa-Tanana Sy Tao-Zavatra
Abstract
Madagasikara dia fantatra eran-tany amin’ny fananany zavamaniry hafakely maro karazana, ary ny ankamaroany dia tsy fahita any an-toeran-kafa. Mbola maro amintsika Malagasy no tsy mahatsapa fa loharanon-karena lehibe izy ireny na ho an’ny mponina manodidina az izany na hoan’ny firenena iray manontolo. Hatramin’izay dia nampiasaina
hatrany ny ala mba hahalavorary ny fiainana (andavanadro
na hafa). Notovoizina avy ao avokoa ny zavatra
ilaina manomboka amin’ny fanafody izany ka hatrany amin’ny fanaovan-trano.
Hoan’ i Madagasikara manokana dia mbola tsy ampy, mba tsy hilazana hoe tsy misy ny fahalalàna mikasika izay fifandraisan’ny olona sy ny ala izay, noho ny tsy fananana
fomba fiasa manaraka ny toetr’andro . Koa mba ho fanombohana ny famahana izay olana izay ary dia niantso an’Andriamatoa Will McClatchey, Profesora avy ao amin’ny Oniversitén’i Hawaii ary mpikaroka manampahaizana
manokana momba ny fifandraisan’ny olona sy ny zavamaniry ny MBG (Missouri Botanical Garden) sy ny KNARP (Karoka Nasionaly Ampiharana ny Raki-Panafody),
mba hampihofana tanora mpikaroka malagasy 10-12 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Ny atrik’asa fiofanana moa dia vita tao Antananarivo Madagascar ny 22 martsa
ka hatramin’ny 4 aprily 2005 lasa teo. Ireo mpihofana nanatrika an’ilay atrik’asa dia nolazaina mba hampiely ny fahalalana azony amin’ireo Malagasy namany sy mpiara-miasa aminy. Lohahevitra maro no nofakafakaina nandritra
ny fiofanana, anisan’izany ny hoe “asa-tanana sy tao zavatra” izay nomena an’i Andriamatoa Richard Randrianaivo
ny fikarahona sy ny fanadihadihana ny lohahevitra Koa indro omena etsy ambany ny fomba fiasa sy ny vokatry
ny fanadihadiana natao mikasika io lohahevitr’io, tao amin’ny toerana atao hoe Sahamamy sy Morarano, tanàna
kely roa monodidina ny alan’ny Analalava, amin’iny faritra antsinanan’i Madagasikara iny.
Downloads
Published
How to Cite
Issue
Section
License
All articles are copyrighted by the first author and are published online by license from the first author. Articles are intended for free public distribution and discussion without charge. Accuracy of the content is the responsibility of the authors.