Ny Tao-Trano Sy Ny Fiatraikany Eo Amin'ny Alan'analalava
Abstract
Rehefa avy nanaraka atrik’asa fiofanana tao amin’ny KNARP nadritry ny 5 andro ny mpiofana, dia nanohy 4 andro taty Mahavelona (Foulpointe) (31 martsa ka hatramin’ny 04 aprily 2005). Nanao fampiharam-piofanana tao amin’ny tanàna manodidina ny alan’Ananlalava ireo mpiofana mikasika ny fampiasana ny zavamaniry sy ny fifandraisany amin’ny olombelona (ethnobotanie). Karazana fanadihadina maro no natao tamin’izany. Anisan’izany ny tao-trano. Tanàna roa no nanaovana ny fanadihadina dia : Sahamamy sy Morarano. Samy fokontan’ i Morarano, kominin’i Mahavelona, faritan’i Toamasina. Olona 7 no nanaovana ny fanadihadina ka 4 tao Morarano ary 3 tao Sahamamy. Karazan-trano maro no hita araka ny: Fampiasana azy Ny fitaovana nampiasaina (akora) Karazan-kazo efatra ambiefapolo (44) no voatanisa ho fampiasa amin’ny fanaovana izany trano izany. Samy hafa anefa ny arazan-kazo nampiasaina araka ny taonan’ny olona nadihadiana. Ary toy izany koa ny toerana nakana azy.Downloads
Published
2005-12-31
How to Cite
Rakotomalaza, P. J. (Coca), Henry, J., Sabotsilahy, B., & Claude, J. (2005). Ny Tao-Trano Sy Ny Fiatraikany Eo Amin’ny Alan’analalava. Ethnobotany Research and Applications, 3, 375–382. Retrieved from https://ethnobotanyjournal.org/index.php/era/article/view/92
Issue
Section
Research
License
All articles are copyrighted by the first author and are published online by license from the first author. Articles are intended for free public distribution and discussion without charge. Accuracy of the content is the responsibility of the authors.